✅ Natao androany faha 08 Aprily 2025 tao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy ny fivorian’ireo komisiona miandraikitra ny lafiny fandriampahalemana sy fiarovana, ho fanomanana ny Fihaonana an-tampony ny Commission de l’océan Indien (COI) atao eto Madagasikara.
➡️Ity fivoriana ity dia nampivondrona ireo Minisitera rehetra voakasika eo anivon’ny Hery Fiaroavana sy Filaminana na ny FDS ( Polisimpirenena, Tafika, Zandarimaria) izay tompon’andraikitra mivantana eo amin’ny sehatry ny fiarovana sy filaminana, ho fanamafisana ny fandaminana rehetra amin’ity
fihaonambe iraisam-pirenena hatao eto Antananarivo Renivohitra ny faha 24 Aprily 2025 ity.
➡️Tanjona amin’izany ny mba ahafahana mifanakalo hevitra sy mandrindra miaraka amin’ireo komity nasionaly mpikarakara isan-tsokajiny, ahitana komisiona sivy miantsehatra amin’ny lafiny maro, ary hitambaran’ireo solontena avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Primatiora ary ny Ministera rehetra voakasika mivantana.
➡️Anisan’ireo nanatrika ny fivoriana teny an-toerana ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Ramatoa RASATA Rafaravavitafika, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, ary ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra samihafa ao anatin’ireo komisiona eo anivon’ny minisitera tsirairay avy.

FANOMANANA NY FIHAONANA AN-TAMPONY NY COI ETO MADAGASIKARA

Vous pourrez aussi aimer