👉 Ady amin’ny halatra isan-karazany.
🚨 Lehilahy iray 33 taona no voasambotry ny Polisin’ny CSP8 Analamahitsy ny 28 Aprily 2025 vao maraim-be teny Ivandry. Mbola tratra tao an-trano izay novakiany ilay jiolahy ary teo am-pibatana ireo vilany saika hangalariny izy no voasambotra. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy izy hanaovana fanadihadiana.
🚔 Mpamaky trano iray hafa ihany koa voasambotry ny Polisin’ny FIP teny Tsiadana ny 27 Aprily 2025 alina. Nentina teny amin’ny biraon’ny Kaomisarian’Ambohijatovo ity mpangalatra ity hanaovana fanadihadiana.
✅ Tamin’ireto tranga roa ireto dia samy nampilaza ny Polisy avokoa ireo lasibatry ny vaky trano ka tonga haingana ny mpitandro ny filaminana nirotsaka an-tsehatra ka izao voasambotra izao ny mpanao ratsy.

JIOLAHY MPAMAKY TRANO VOASAMBOTRY NY POLISY MIASA AO AMIN’NY CSP8 ANALAMAHITSY, IRAY HAFA VOASAMBOTRY NY FIP TENY TSIADANA

Vous pourrez aussi aimer