👉Fampanarahan-dalà na, fanabeazana
✅Tontosa tao amin’ny kianja monisipaly ao Manakara ny 11 mey 2025 ny fiofanana natokana ho an’ireo mpamily cyclo-pousse nokarakarain’ny Kaominina Manakara niaraka tamin’ny Polisimpirenena.
Natao izao fiofanana izao mba ho fampianarana ireo lalĂ na mifehy ny fifamoivozana sy fampahafantarana ireo fandikan-dalĂ na mahavoasazy. Nisy ihany koa ny fampianarana hikojakoja sy hanaja ireo fananana iombonana.
âś…Ny Ben’ny TanĂ nan’i Manakara, Andriamatoa Henderson ANDRIANASOLO no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika, izay notarihin’ny Komandin’ny Polisy Monisipaly, ny Brigadier Chef de Police BERNARD De Paul, izay sady tompon’andraikitra voalohany ny fiofanana.
➡️Mpamily miisa 1097 no nandray anjara sy nahazo tombontsoa tamin’izao fiofanana izao. Antenaina ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay sy fandraisana andraikitra ka hahatonga ny fampiharana amin’ny asa andavanandro ny fahalalà na sy fahaiza-manao azony taorian’ity fiofanana ity.