👉Ady amin’ny halatra isan-karazany
➡️Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Poste de Police Ampefiloha nandritra ny fisafoana mandeha an-tongotra ny alin’ny 16 Mey 2025, tetsy akaikin’ny lalam-by Ampefiloha.
Tsikaritry ny Polisy izy teo am-panosehana moto izay tsy nisy fanalahidy, ka nasaina nijanona ho hadihadiana. Rehefa natao ny fisavĂ na dia hita fa tsy nanana taratasy manamarina fa azy ilay moto ity lehilahy ity ka nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy.
➡️Tamin’io alina io ihany dia nisy filazana navoakan’ny onjam-peo iray momba ny fahaverezan’ny moto iray teny Antsahavola, ary voamarina fa ilay moto tratra teny Ampefiloha io very io rehefa nitondra ny taratasy manamarina izany ny tompony.