Ady amin’ny asan-jiolahy
➡️Voasambotry ny Polisy avy ao Amparihigidro sy ny UIR, tao Antanimalandy i “Black” sy ny namany iray ny 16 mey 2025 noho ny raharaha fanafihana mitam-piadiana sy famonoan’olona. Tamin’ny fotoana nisamboran’ny Polisy azy dia tratra niaraka tamin’ny bala tsy misy taratasy fahazoana mitazona izany calibre 7,65mm, miisa 16 izy ireo.
➡️Fantatra ihany koa raha ny fanadihadiana nataon’ny Polisimpirenena fa mpiray tendro tamin’ny andian-jiolahy tao amin’ny faritra Boeny izy ireto, izay efa nanao fanafihana nahafaty olona.
➡️ Natolotra ny fampanoavana ny 21 May ireto jiolahy roa ireto ary naiditra am-ponja vonjimaika.

JIOLAHY RAINDAHINY ROA VOASAMBOTRY NY POLISY TAO MAHAJANGA, NAHATRATRARANA BALA MAROMARO ; NIDOBOKA ANY AM-MPONJA

Vous pourrez aussi aimer