Ny faha 03 jona 2025 no voasambotra teny Ivato ity lehilahy ity noho ny resaka fisintonana an-tsokosoko ny vola 93 000 000 Ariary tao anaty findain’ny mpampiasa azy. Noho ny fifampitokisana efa nipetraka dia hirahin’ny mpampiasa azy maka vola amin’ny finday ity lehilahy ity ka amin’izay fotoana izay no hanararaotany hamindràny ny vola mankao amin’ny findainy. Efa nanomboka ny volana janoary 2025 izy no nanao izany saingy tsikaritr’ilay mpampiasa ihany ny fahambangàna tao amin’ny kaonty.
➡️Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nahazoana ny porofo fa laniny tamin’ny loka ireo vola ireo ary niaiky izany ny tenany. « Carte SIM » telo samihafa no nampiasain’ity lehilahy ity nanaovana izany.
➡️Tanana atao andri-maso sy hanaovana fanadihiadiana eo anivon’ny biraon’ny Polisy ity lehilahy ity mialohan’ny hanolorana azy eo amin’ny fampanoavana.

 

LEHILAHY IRAY 23 TAONA, NOSAMBORIN’NY POLISIN’NY CYBECRIMINALITE ANOSY FA NISINTONA TSIKELIKELY NY VOLAN’NY MPAMPIASA AZY 93 TAPITRISA ARIARY TAO ANATY FINDAY KA LANINY TAMIN’NY LOKA

Vous pourrez aussi aimer