Tontosa ny 18 Jona 2025 tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny hetsika ara-pahasalamana Health Fair 2025, nokarakarain’ny Fiangonana Advantista sy ny Loma Linda University avy any Etazonia. Tanjon’ny hetsika ny hanomezana fitsaboana sy fitiliana maimaim-poana, ary koa ny hanentanana ny olom-pirenena amin’ny fitandremana ara-pahasalamana.
➡️Anisan’ny tolotra hita ny fitiliana tosidrà, ny fitiliana ny tahan’ny « cholestérol » anaty rà, ny fitiliana diabeta, ny fitiliana homa-miadana ary ny fitiliana VIH/SIDA. Maro ireo olona tonga hijery ny toe-pahasalamany tetsy amin’ny kianja barea Mahamasina. Nisy ihany koa atrikasa fanabeazana momba ny sakafo ara-pahasalamana, ny fisorohana aretina, ary ny fahasalamana ara-tsaina.
➡️Ity hetsika ity dia eo ambany fiahian-dramatoa Mialy Rajoelina, vadin’ny Filohan’ny Repoblika malagasy. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny filohan’ny Komity Nasionaly Manomana ny fankalazàna ny fetin’ny Fahaleovantena, ny Jeneraly Eric Rakotondrabary ; nanotrona ihany koa ireo tompon’andraikitra ambony avy eto anivon’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka tamin’ny alalan’ny Talen’ny fampiofanana sy fikarohana mitohy, ny Contrôleur Général de Police, RASOAMANANJARA Marie Pierrette Françoise ; ny Talen’ny Fampitàna sy fikirakiràna ara-informatika, ny Commissaire de Police RANDRIAMANOHISOA Tovohery Hajanirina.
➡️Hitohy ny andron’ny 19 Jona 2025 ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ity hetsika fitiliana ara-pahasalamana maimaim-poana ity.