Ady amin’ny fiparitahan’ny zavamahadomelina
➡️Fanomezam-baovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahafantarana fa misy olona mpivarotra rongony sy mamporisika tanora amin’ny fidorohana zava-mahadomelina ao amin’ny fokontany Cosmos Antsiranana ka nanaovan’ny Polisy velam-pandrika ny hahatratrarana azy ireo.
➡️Ny 14 Janoary 2025 dia nidina tany an-toerana ny Polisimpirenena ka teo am-pifohana rongony ny tratra ambodiomby izy ireto. Rehefa natao ny fisavana dia mbola hita teny amin’izy ireo ny rongony efa voafono izay nafenina tao anaty tranon-tsigara sy vonona ho amidy.
➡️Natolotra ny fampanoavana ny faha 17 Jona 2025 ireto mpidoroka sady mpivarora zava-mahadomelina ireto ka nampidirin’ny fampanaovana any am-ponja vonjimaika.

LEHILAHY ROA MPIVAROTRA SADY MPIDOROKA RONGONY VOASAMBOTRY NY POLISY TAO ANTSIRANANA, NIDOBOKA AM-PONJA

Vous pourrez aussi aimer