Ady amin’ny halatra moto
➡️Ny alin’ny 26 Jona 2025 no naharay fitarainana ny Polisimpirenena avy ao amin’ny CSP 2 Ambohijatovo fa nitrangàna halatra moto teny Ankaditapaka tao amina tokantrano iray ; nidina teny an-toerana avy hatrany ny Polisy nanao ny fizahàna ny zava-misy sy niroso tamin’ny fikarohana.
➡️Rehefa natao ny angom-baovao dia tao amina tokan-tranona tovolahy iray teny Andohamandry no tratra ilay moto ny maraim-ben’ny 27 Jona 2025 ka nosamborina avy hatrany io lehilahy io nanaovana fanadihadiana sy natao andri-maso teny amin’ny Kaomisaria.
➡️Natolotra ny fampanoavana ny Asabotsy 28 Jona 2025 ka nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora.

 

NAMPIDIRINA AM-PONJA ILAY MPANGALATRA MOTO TRA -TEHAKIN’NY POLISY NANAFINA IZANY TAO AN-TRANONY TENY ANDOHAMANDRY

Vous pourrez aussi aimer