Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
➡️Lehilahy iray 24 taona no voasambotry ny Polisin’ny FIP ao Toliara ny alin’ny 27 Jona 2025 noho ny halatra fiara 4×4 niseho tao Ampasikibo. Navelan’ny tompony teo anoloan’ny hotely iray ilay fiara, nefa tsy hita nony afaka kelikely. Nampandre ny Polisy avy hatrany Ilay tompon’ny Fiara ka nanao fanarahan-dia teny amin’ny lalana rehetra, sy nanao sakana ny Polisimpirenena. Fantatra fa nandona fiara iray tao Ampasikibo sy moto iray tao Sanfily ilay fiara very ary tsy hita tao anatiny intsony ilay mpangalatra.
➡️Taorian’ny fikarohana sy ny angom-baovao nataon’ny Polisy dia hita ny misy ilay mpangalatra ka voasambotra tao an-tranony, taorian’izay dia naverina amin’ny tompony ilay fiara.
➡️Ny Kaomisaria Foibe ao Toliara no mandray ny fanadihadiana momba ity halatra fiara ity.