Ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ireo zava-boahary sy zava-manan’aina arovana
✅Tamin’ny alalan’ny fampitàna angom-baovao nataon’ny Fitaleavana misahana ny ady amin’ny Kolikoly eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy no nahafantarana fa misy olona mikasa hanondrana biby arovana hivoaka an’i Madagasikara ny Alahady 29 Jona 2025. Nametraka ny paikady ahafahana misambotra an’ireo olon-dratsy ny teo anivon’ny Polisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany Ivato (PAF) ka na efa nisy aza ny fanafenana mafy nataon’ireo mpanondrana an-tsokosoko an’ireo biby arovana dia tratra ihany.
➡️Lehilahy iray 51 taona sy vehivavy 22 taona izy ireto ary efa tsara afina tanaty valizy ireo Sifaka miisa 4 saika ho aondrany any Dubaï. Nofefen’izy ireo sy nafangarony entana miampy akora hafa marobe ny garaba kely nisy ireo Sifaka ka sarotra navahana tamin’ny fitarafana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.
➡️Nosamborina avy hatrany izy roa ireto ary nomena ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy ny fanohizana ny fanadihadiana.

 

OLONA ROA NIKASA HANONDRANA SIFAKA TRATRAN’NY POLISIN’NY PAF IVATO

Vous pourrez aussi aimer