Fijerena ny lafiny maha olona
➡️Natomboka tao amin’ny Kaomisarian’ny Boriboritany Faharoa etsy Ambohijatovo ny talata 02 jolay 2025, ny hetsika fampahafantarana sy fanentanana momba ny fisorohana sy ady amin’ny VIH/SIDA.
➡️Ireo Polisy miasa ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanatanjahantena niaraka tamin’ireo solotenan’ny Minisiteran’ny Fahasalama sy ny komitimpirenena miady amin’ny VIH/SIDA no nikarakara izao hetsika ho fisorohana ny fihanaky ny tsimoka aretina VIH/SIDA izao.
➡️Mbola hitohy amin’ireo kaomisaria manerana ny faritra Analamanga izao hetsika izao. Ny CSP1 Analakely, CSP5 Mahamasina ary ny Kaomisaria Tanjombato no efa nisitraka ny fanentanana.
ADY AMIN’NY VIH/SIDA : MISY NY FANENTANANA MITETY IREO KAOMISARIA