Ady amin’ny kolikoly
✅Notontosaina tao amin’ny Havoria Anosy ny 11 jolay 2025 ny fankalazana ny andro Afrikanina amin’ny ady atao amin’ny kolikoly.
Novoizina nandritra ‘izany ny loha-hevitra  » manimba ny maha olona ny kolikoly. Isan’ny hetsika natao tao amin’ny Havoria Anosy ny valan-dresaka narahana adihevitra azon’ny be sy ny maro natrehana ka ahafahana mitondra soso-kevitra amin’ny fialàna amin’ny kolikoly.
✅Anisan‘ny nandray anjara mavitrika tamin‘ity hetsika ity ny Polisimpirenena tamin ‘ny alalan’ireo tranoheva mampiseho ny ezaka amin’ny ady ho fialàna amin’ny kolikoly ka nisolo tena ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ny Talen’ny fanadihadiana anatiny (DEI), ny Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTOMALALA Simon sy Talen’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fampiharana ny fitsipi-pifehezana (DLCD), ny Commissaire Principale de Police ANDRIAMASY Ainarivonjy Olivier. Nahafahana nanao jery todika ny lesoka mila hatsaraina sy ireo teboka miabo, tamin’ny ady amin’ny kolikoly efa natao hatramin’izay ity hetsika ity, ary hahafahana manohy izany ezaka amin’ny fialàna amin’ny kolikoly izany.

ANDRO AFRIKANINA HO AN’NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY : MANDRAY ANJARA FENO NIARAKA TAMIN’IREO ANDRIM-PANJAKA MARO NY POLISIMPIRENENA TETSY AMIN’NY HAVORIA ANOSY

Vous pourrez aussi aimer