✅ Fijerena ny lafiny maha-olona, ady amin’ny tsy fandriampahalemana, fangaraharàn’ny fitantanan-draharaham-panjakàna, ady amin’ny kolikoly
➡️ Natomboka ny 03 Aprily 2025 tao amin’ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy Fiofanana Mitohy etsy Antanimora ny fivorian’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Polisimpirenena izay mitantana ny fibaikoana amin’ny Hery Vonjy Taitran’ny Polisimpirenena manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara.
➡️ Notarihin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala ny fanombohana ny fivoriam-be. Tonga nanotrona izany ireo tompon’andraikitra ambony sy tale avy ao amin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Notsindrian’Andriamatoa Minisitra nandritra ny lahateny fanokafana fa ilaina hatrany ary tsy maintsy hatao ny fanatsarana ny fomba fiasa mba hanomezana tolotra fandriampahalemana mahomby ho an’ny vahoaka. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny vina napetraky ny Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA dia : ny fijerena ny lafiny maha-olona, ny fametrahana ny fandriampahalemana maharitra, ny fangaraharan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana ary ny ady amin’ny kolikoly izay noraisina ho laharam-pahamehan’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ihany koa.
➡️ Nisaotra ireo Polisin’ny FIP izay nahavita dingana lehibe tamin’ny asa ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ka nisy ny fanomezana marim-pankasitrahana ho azy ireo.
➡️ Haharitra roa andro ity fivoriana ity, ary natao indrindra mba hanatsarana sy hahatonga fahombiazana bebe kokoa eo amin’ny sehatry ny fitandroana ny filaminana. Tafiditra ao anatin’izany ny fandinihana sy fandrindràna paikady vaovao ary ny fanatsaràna hatrany ny tolotra fandriampahalemana any amin’ireo faritra tsirairay avy.

