Fampiroboroboana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra marolafy
➡️Mitohy amin’ny lafiny maro ny fiaraha-miasa eo amin’ny masoivohon’i Frantsa sy ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka. Ny 15 jolay 2025, masolavitra mahita amin’ny maizina miisa efatra (04) no natolotry ny Direction de la Coopération de Sécurité et de Défense (DCSD) eo anivon’ny Masoivohon’i Frantsa ho an’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka (MSP), noho ny fiaraha-miasa izay efa nisy ela teo amin’ny roa tonta.
➡️Ny Commandant Divisionnaire de Police Frédéric LARTIGAU, sy ny Colonel Pierre COUVE, izay samy avy eo anivon’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara no nanolotra izany, ary ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOZANANY Dany Marius kosa no nisolo tena ny Ministeran’ny Filaminambahoaka nandray izany, notronin’ireo tompon’andraikitra ambony avy eo anivon’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka.
➡️Ilaina eo amin’ny sehatra fanaraha-maso mandritra ny fanadihadiana amin’ny fikarohana fandikan-dalàna, ilaina amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy ihany koa ireto fitaovana ireto
➡️Naneho fisaorana sy fankasitrahana manokana tamin’ny DCSD ny Ministera noho ity fanomezana ity izay maneho mazava ny firaisankina sy fiaraha-miasa matotra eo amin’ny roa tonta, sady hahafahana mametraka ny fandriam-pahalemana maharitra ho an’ny mpiray Tanindrazana.