Ady amin’ny halatra isan-karazany
➡️Lehilahy iray no tratra ambodiomby teo am-pangalarana « imprimante » ny antoandron’ny talata 15 Jolay 2025, tao amin’ny sekoly iray etsy Manarintsoa Isotry.
➡️Niditra an-tsokosoko tao amin’ilay sekoly izy, nitsofoka tao amin’ny birao rehefa nahita fa tsy nisy olona tao.
Nisy nahatsikaritra anefa ny fidirany tao ka io olona io no nampandre ny Polisy avy ao amin’ny CSP4 Isotry haingana.
➡️Nidina teny an-toerana avy hatrany ny Polisy ka tratra ambodiomby niaraka tamin’ny imprimante nobatainy mihitsy ity lehilahy ity ary noraisim-potsiny.
➡️Nentina teny amin’ny kaomisaria izy mba hanohizana ny fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoavana. Nandritra ny famotorana no nanonona ny namany roa mpiray tsikombakomba aminy ity mpangalatra ity ka nanaovana paikady koa ireo ary nosamborina ny maraimben’ny 16 Jolay 2025 ireo roalahy teny Manarintsoa Isotry ihany.

LEHILAHY IRAY NANGALATRA « IMPRIMANTE » TAO AMIN’NY SEKOLY IRAY ETSY ANATIHAZO ISOTRY TRATRA AMBODIOMBY, NAMANY ROA HAFA IHANY KOA VOASAMBOTRA

Vous pourrez aussi aimer