Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka
➡️Renim-pianakaviana iray 22 taona no navotan’ny Polisy miasa etsy Ambodinisotry ny antoandron’ny 17 Jolay 2025. Nitambotsotra tampoka ity renim-pianakaviana ity, izay sady nitrotro ny zanany mbola menavava teny an-dalana ka nampikoropaka ny manodidina.
➡️Nisy Polisy miasa teo akaiky teo tonga namonjy ity renim-pianakaviana ity ka rehefa nohadinkadinina izy dia fantatra fa nihena ny tahan’ny siramamy tao aminy. Nandray an-tanana momba izay ireo Polisy ary niantoka ny ahafahany mody soamantsara any an-tokantranony.

RENIM-PIANAKAVIANA TOJO OLANA ARA PAHASALAMANA NAVOTAN’NY POLISY TETSY AMBODINISOTRY

Vous pourrez aussi aimer