Fametrahana ny fandriampahalemana maharitra
➡️Fisolokiana amin’ny menaka sakafo :
Voasambotry ny Polisy tao Fianarantsoa ny lehilahy iray 39 taona ny fiandohan’ny herinandro teo, noho ny fanoloany nuy menaka sakafo amin’ny rano mba entina hisolokiana. Rano maloto no natakalony ilay menaka tanaty bidon ho amidy ka nisy nampilaza ny Polisy. Voasambotra noho izany ity lehilahy ity.
➡️Fisamborana andian-jiolahy mpamaky trano :
Nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisy avy ao amin’ny kaomisaria Ampasambazaha Fianarantsoa, dia voasambotra ny alin’ny 15 Jolay lasa teo ireto jiolahy 3 avy namaky trano. Mbola hita teny amin’izy ireo ny entana halatra nangalariny.
➡️Fanaparitahana vola sandoka :
Taorian’ny fitoriana nataon’ny vehivavy iray fa misy olona manaparitaka vola sandoka, dia voasambotra ny 15 Jolay 2025 tao amin’ny toby fiantsonana Ankazondrano ny lehilahy iray 36 taona. Mbola hita tao anaty kitapony ny vola sandoka 20.000 Ar miasa 18.
Nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa izy dimy lahy ireto taorian’ny fiakaran’izy ireo teny amin’ny fampanoavana ny 18 Jolay 2025.