CSP3 ANTANINANDRO : MPANENDAKA MIISA 02 TRATRA TETSY ANELAKELAN-TRANON’ANDRAVOAHANGY

Angom-baovao tamin’ireo olona tsara sitrapo no nahazoana ireto mpanendaka miisa 02 teny an’elakelan-trano miditra ny looks Andravoahangy iny.
Tsy afaka nandositra intsony ireto olon-dratsy ireto fa nisy Polisin’ny boriborintany fahatelo avokoa ny fidirana sy fivoahana an’ilay lalan-kely ka dia noraisim-potsiny izy roalahy. Niaiky ny helony izy roalahy ireto ary fantatra fa ny elakelan-trano miditra ny faritra Ampandrana, Andravoahangy ary Besarety no tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny.
Efa natolotra ny fitsarana omaly izy roalahy ary efa nidoboka any am-ponja vonjimaika etsy Antanimora.

MPANENDAKA MIISA 02 TRATRA TETSY ANELAKELAN-TRANON’ANDRAVOAHANGY

Vous pourrez aussi aimer