COVID-19 FARITRA ANTANANARIVO RENIVOHITRA : SADY SAZIANA IREO OLONA TSY MANARA-DALÀNA NO HANARINA ARY BEAZINA HANDRAY ANDRAIKITRA

Tsy kivy ny Polisy na maro aza ireo olona tsy manara-dalàna manamora ny fiparitahan’ilay valan’aretina eny anivon’ny fiaraha-monina rehetra eny.

Tompona baby foot miisa 02 no voasambotry ny Polisy tetsy Andohatapenaka rehefa fantatra fa mampitangorona olona eny an-toerana ireto kilalao ireto.

Zatovo eo amin’ny 14 hatramin’ny 16 taona eo ihany koa no tratran’ny Polisy nilalao Roller tetsy Anosibe nanararaotra ny halalaky ny lalana. Nosamborina ihany koa izy ireo ary navotsotra rehefa nanarina teny amin’ny biraon’ny Kaomisaria ny Ray aman-drenin’ireto ankizy.

COVID-19 FARITRA ANTANANARIVO RENIVOHITRA : SADY SAZIANA IREO OLONA TSY MANARA-DALÀNA NO HANARINA ARY BEAZINA HANDRAY ANDRAIKITRA

Vous pourrez aussi aimer