Ady amin’ny fanolanana sy fanararaotana ara-nofo ary ny heloka mamoafady
_Renim-pianakaviana iray no nametraka fitoriana tao amin’ny Polisin’ny Cybercriminalité Anosy ny 16 Jolay 2025, momba ny zanany vavy 14 taona, izay niharan’ny fanararaotana ara-nofo nataon’ity lehilahy 34 taona ity.
_Fantatra fa manao ranty amin’ny Facebook izy, milaza fa mitady vehivavy tanora, hanao dokam-barotra ary karamaina hatramin’ny 2 tapitrisa ariary. Rehefa tonga anefa ilay vehivavy dia alainy sary manao fihetsika mamoafady sy mampiasa fitaovana samihafa mifandraika amin’izay ; mbola tereny hanao firaisana ara-nofo aminy ihany koa aorian’izay.
_Betsaka ireo vehivavy no efa lasibatra tamin’ity asa mamofady ity saingy tsy sahy mitoroka noho ny fandrahonana ho famoahana ireo horonan-tsary mamoafady ataon’io lehilahy io. Tsy nanaiky lembenana kosa ny renin’ity zazavavy 14 taona izay lasibatra ka nitory.
✅Ny 19 Jolay 2025 izy no voasambotra teny Antsahavola. Natolotra ny fampanoavana ny Alarobia 23 Jolay 2025 ary nidoboka any Tsiafahy.