Lehilahy miisa 04 no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Mahamasina ny maraimben’ny Alahady 27 jolay 2025 teny Paraky, Ouest Manajara.
➡️ Nandritra ny fisafoana alina tamin’iny toerana iny no nahatsikaritra ireto andian’olona hafahafa fihetsika ny Polisy ka niroso tamin’ny fisavàna avy hatrany.
– Teo am-pifohana rongony mihitsy izy ireo no nandalo ny Polisy. Nanohitra Tsy nanaiky nosavaina ny iray tamin’izy ireo kanjo rehefa nirosoana tokoa izany dia nahatratrarana basy poleta iray marika MAC, calibre 7,65 mm miaraka amin’ny bala miisa telo tany aminy. Mbola nahitana fonosana rongony ihany koa.
– Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy hatao andri-maso sy hanaovana fanadihadiana ireto efa-dahy ireto.