Ady amin’ny herisetra, fampanarahan-dalàna
✅Voasambotry ny Polisin’ny FIP tao Antanimalandy VII ireto tovolahy efatra ireto ny tolakandron’ny 10 Aogositra 2025. Voalaza fa nanao herisetra sy fanakorontanana tao an-tranon’olona iray nanao fety tany an-toerana izy efa-dahy niaraka tamin’ny namany roa hafa. Telo tamin’ireo tompom-pety no naratra mafy ary tsy maintsy nampidirina hopitaly.
▶️Efa mandeha ny fanadihadiana ao amin’ny Kaomisarian’ny Boriboritany faha 3 ao Antanimasaja mikasika ity raharaha ity, ary mbola karohina ireo roa hafa tafaporitsaka nandritra ny fisamborana natao.
▶️ Malaza ratsy amin’ny fanaovana herisetra tahaka izao ireto tovolahy ireto raha ny fantatra.