Ady amin’ny zava-mahadomelina, ady amin’ny herisetra
– Faritra anisan’ny tena ahitàna betsaka ny rongony « cannabis » na antsoin’ireo mpidoroka izany koa hoe « jamala » izay fahita matetika eto Madagasikara ny ao Toliara, renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana. Tsy mijanona fotsiny amin’ny fanenjehana an’ireo olona tompon’antoka amin’ny fivarotana sy fanapariahana azy ireny ny eto anivon’ny Polisimpirenena manerana ny Nosy.
– Ho an’ny tao Toliara manokana dia nanao fanentanana mikasika ny ady atao amin’ny fidorohana rongony ny Polisimpirenena avy ao amin’ny sampan-draharaha misahana izany, niaraka tamin’ny Brigade Féminine de Proximité sy ny avy ao amin’ny sampandraharahan’ny Polisy miaro ny ankizy sy ireo olona marefo ary miady amin’ny heloka mamoafady , ny 13 ka hatrain’ny 16 Aogositra 2025.
– Nampahafantarina manokana ny momba ny loza ateraky ny fidorohana ny « jamala », ny fiantraikany eo amin’ny fiainam-piarahamonina sy ireo sazy mifanaraka amin’ny lalàna misy ho an’izay manao izany. Nisy ihany koa ny fanentanana momba ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy.
– Nifantohana manokana ny tao Mangily, Kaominina ambanivohitry Belalanda, Distrika Toliara-II, Nisy ny fametrahana peta-drindrina izay mandràra ny fidiran’ny ankizy tsy ampy taona amin’ ireo toeram-pisotroana sy « Boite de nuit » any an-toerana. Toerana be mpitsangatsangana sy tena be mpitsidika i Mangily sy ny tora-pasika ary ireo trano fandraisam-bahiny maro be raha ny ao Toliara sy ny manodidina.