Ady amin’ny fakana an-keriny zaza varira
-Zaza varira iray no nalain’ireo olon-dratsy mpaka an-keriny tao Soafiadanana, Marofinaritra, Kaominina Ambonivohitr’i Mananjary ny alin’ny 06 Aogositra 2025. Niroso tamin’ny fanadihadiana avy hatrany ny Polisimpirenena ka olona roa isan’ny mpiray tsikombakomba tamin’ity raharaha ity no voasambotra voalohany ka nampidirina am-ponja vonjimaika ny 11 Aogositra 2025 taorian’ny fiakarany fampanoavana rehefa vita ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny Polisimpirenena.
-Nandritra ny famotorana no efa nanonona ireo mpiray tsikombakomba taminy ireo olona roa vaosambotra ireo. Nitohy araka izany ny fikarohana ka voasambotra ny maraim-be ny 16 Aogositra 2025 tao Ambalahosy Avaratra, distrikan’i Mananjary, ireo olona miisa enina hafa nikasa hitondra ilay zaza varira hiampita renirano tao Ambatoseza.
– Loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitra-po no nampahomby ny hetsika rehetra. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny zandary ary notohizan’ny Polisimpirenena ny famotorana ireo rehetra voasaringotra tamin’ity raharaha ity.
Avotra soa aman-tsara kosa ilay zaza varira ary efa tafaverina amin’ny fianakaviany.
– Taorian’ny fiakaran’izy ireo fampanoavana ny 19 Aogositra 2025 dia nidoboka am-ponja ihany koa ireo olona 6 voasambotra tamin’ity raharaha ity.