-Notsindrian’ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, manokana nandritra ny fihaonany mivantana tamin’ireo Polisimpirenena niasa tamin’ny fivoriam-ben’ny SADC, ny haitarika miavaka nentin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA nitantanana ireny fotoana ireny ary nahavoafidy azy ho Filoha mpitantanana ny SADC ihany koa manomboka izao. Reharehan’ny malagasy rehetra izany hoy ny Minisitry ny Filaminambahoaka.
-Ankoatra izay, naneho fisaorana sy fankasitrahana ho an’ireo Polisimpirenena niasa nandritra ny fihaonamben’ny SADC iny, ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka teny amin’ny Kianja Maki Andohatapenaka, ny 20 Aogositra 2025 maraina.
-Nambaran’ny Minisitra nandritra ny lahateny fa “tena naneho fahavononana sy fahavitrihana tanteraka ireo Polisy rehetra nandray anjara tamin’ny fiarovana sy fandaminana ny hetsika rehetra nandritra ny fivorian’ny SADC teto Madagasikara”. Nankasitrahany manokana ny fomba fiasa matihanina, ny firaisankina ary ny fahatsapana andraikitra nasehon’ireo Polisimpirenena, izay nahafahana nanatanteraka am-pilaminana sy am-pahamendrehana ny hetsika iraisam-pirenena iny.
-Nandritra ny fihaonambe, dia niatrika fanamby sy asa goavana maro ireo Polisy : fiarovana ireo delegasiona vahiny, fandaminana ny fifamoivoizana, fanaraha-maso ny toerana stratejika, ary fiantohana ny filaminana ankapobeny.

NITONDRA FISAORANA HO AN’IREO POLISIMPIRENENA NIASA NANDRITRA NY SADC NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer