Ady amin’ny fipariahan’ny zava-mahadomelina
✅ Tamin’ny angom-baovao azon’ny Polisimpirenena mahakasika lehilahy iray mitazona rongony ao an-tranony, ao amin’ny Fokontany Mahavanona, Antsiranana I, dia nidina nanamarina izany ny Polisy. Rehefa natao ny fisavàna dia hita tao an-tranon’ity lehilahy ity tokoa ny harona plastika mainty miisa roa izay misy rongony sady mbola voafono tao anatina ravin’akondro maina.
– Nosamborina avy hatrany izy, natolotra ny fitsarana ny 29 Aogositra 2025 ary naiditra am-ponja vonjy maika.