Ady amin’ny halatra isan-karazany
✅ Voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Komisarian’ny Boriborintany faha-2 Ambohijatovo ny lehilahy roa ny 31 Aogositra 2025 vao maraimbe noho ny resaka vaky trano.
✅ Teo am-pangalarana entana sy kojakoja an-tokantrano izy ireo no tratra ambodiomby rehefa nitondra ireo entana nangalariny teny Ambohipo ka nifanehitra tamin‘ireo Polisy nanao fisafoana.
✅ Maro ireo tokantrano niharan’ny hala-botry sy ireo very entana nipetrapetraka teny an-tokotany efa lasan’ireto olon-dratsy ireto. Nandritra ny fisamborana azy roa lahy dia mbola hita teny aminy ihany koa ireo entana vao avy nangalariny.
✅ Notanana avy hatrany tao amin’ny Kaomisaria izy ireo hanaovana fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy ireo eo anatrehan’ny fampanoavana.