Ady amin’ny asan-jiolahy
✅ Ny 25 aogositra 2025, no nitrangàna fanafihana tokantrano iray teny Soavinimerina. Miisa 05 ireo jiolahy nanao io fanafihana io ary lasan’izy ireo ny vola 17 tapitrisa Ariary, peratra volamena miisa 02 ary kojakojan’entana maro.
✅ Taorian’ny fitoriana nataon’ny niharam-boina, nandray ny andraikiny, niara-misalahy ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny komisaria Foibe Avaradrano sy ny « Brigade Criminelle » Anosy ka voasambotra tetsy Besarety ny lehilahy miisa 02 tamin’ireo dimy nanafika.
✅ Mbola hita tao an-tranon’izy ireo ny ampahan’entana nangalarina nandritra ny fisamborana sy fisavàna.
✅ Nanoro ireo namany ireto roa voasambotra voalohany ka niampy efatra ireo voasambotra. Fantatra fa tambazotran-jiolahy efa mpanao fanafihana mitam-piadiana amin’ny faritra Avaradrano izy ireto.
– Natolotra ny Fampanoavana izy ireo ny 29 Aogositra 2025 ary nidoboka am-ponja eny Tsiafahy.

 

TAMBAZOTRAN-JIOLAHY MPANAO FANAFIHANA MITAM-PIADIANA ENY AMIN’NY DISTRIKAN’AVARADRANO, ANTANANARIVO, RAVAN’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer