AKANY AMBATOLAMPY : TSY NANADINO AN’IREO ZAZA KAMBOTY MIISA 71 NY FIANAKAVIAMBEN’NY POLISIM-PIRENENA AMIN’IZAO ANKATOKY NY FETY IZAO

???Amin’izao fotoana akaiky ny fetin’ny ankizy izao indrindra no nanehoan’ny fianavakiamben’ny Polisim-pirenena fa manana solon-dRay aman-dreny afaka iankinana ireo ankizy kamboty taizaina ao amin’ny akany Ambatolampy.
?‍♂️?‍♀️Tonga teny amin’ny akany Ambatolampy niara-nifaly tamin’ireo ankizy ny fianakaviam-ben’ny Polisim-pirenena mivady tarihin’Andriamatoa Minisitry filaminam-bahoaka mivady Contrôleur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa niaraka tamin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka.
?Kilalao maro samihafa , ?vatomamy, ??akanjo, ?sakafo , kojakoja maro isan-karazany ilaina amin’ny fiainana andavan’andro. Ireo no fanomezana azon’ireo ankizy . Nisoritra teny amin’ny endrik’izy ireo ny tsiky sy ny hafaliana ka nitondrany ny teny fankasitrahana ho an’ny Minisitera sy ireo mpiara-miasa rehetra.
✅️ Nandrisika ny ankizy hilofo mafy amin’ny fianarana sy hitombo fahendrena hatrany moa ny Minisitry filaminam-bahoaka ary nambarany fa ny Polisim-pirenena no solon-dray aman-dreny hikolokolo ireto ankizy ireto. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo moa ny fiarahana tamin’ireo ankizy .

AKANY AMBATOLAMPY : TSY NANADINO AN’IREO ZAZA KAMBOTY MIISA 71 NY FIANAKAVIAMBEN’NY POLISIM-PIRENENA AMIN’IZAO ANKATOKY NY FETY IZAO

Vous pourrez aussi aimer