Ady amin’ny halatra isan-karazany
-Olona telo no voasambotry ny Polisin’ny FIP avy ao Anjozorobe noho ny trangana halatra solika amin’ny tetikasa lalambe migodana tao Mangamila, distrikan’Anjozorobe.
-Ny alin’ny 05 septambra 2025, nandritra ny fisafoana, dia nahasambotra lehilahy roa avy ao Antanetibe ny Polisy. Tratra niaraka tamin’ny daba mavo miisa 03 feno solika izy roa lahy ireto.
-Fantatra fa nangalarina tao amin’ny tobin’ireo mpiasa ao amin’ny fanamboarana ny lalambe migodana ao Mangamila ireo solika.
-Rehefa natao ny fanadihadiana, dia nanonona ny mpiray tsikombakomba aminy izy roa lahy, izay vadin’ny iray tamin’ireo voasambotra ihany, sady mpitahiry ireo solika nangalarina.
-Noho izany, ny marainan’ny 06 septambra 2025, dia voasambotra ihany koa ity vehivavy 36 taona ity. amin’ny fitahirizana sy famindrana ilay lasantsy.
-Fantatra fa mbola misy mpiray tsikombakomba an’ireto mpangalatra solika ireto karohina.
-Solika miisa 48 daba mavo no efa azon’izy ireo.
-Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana lalina ataon’ny Polisimpirenena mikasika ity raharaha ity ary ho atolotra ny Fampanoavana izy ireo rehefa vita ny famotorana savaranonando.

 

OLONA TELO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY HALATRA SOLIKA AMIN’IREO FIARABE MIASA AMIN’NY TETIKASA LALAMBE MIGODANA TAO MANGAMILA ANJOZOROBE

Vous pourrez aussi aimer