Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka
-Noho ny fitarainana matetika azon’ny Polisimpirenena avy ao amin’ny CSP 3 Antaninandro amin’ny fisiana mpanendaka sy mpanao sinto-mahery amin’ny faritra Andravoahangy, Ankadifotsy, Ambatomainty sy Anjanahary iny dia nanao angom-baovao sy fanaraha-maso tamin’ireo faritra ireo ny Polisy mba hahafahana misambotra ireo olon-dratsy sy hampitsahatra ny asa ratsy ataony.
-Nandritra ireo hetsika nataon’ny Polisy araka izany dia nifanehatra tamin’ny andiana mpanao sinto-mahery sady mpanendaka ny Polisimpirenena avy amin’ny CUI sy ny UIR ny antoandron’ny 17 Septambra 2025 tokony ho tamin’ny 11 ora, teny amin’ny cimetière Anjanahary.
-Teo am-panendahana mpandalo mihitsy no sendran’ireo Polisin’ny CUI sy ny UIR manao fanamiana sivily ireto olon-dratsy ireto ka nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana hisambotra azy ireo.
-Nikasa hamely tamin’ny sabatra teny amin’ny ilay lehiben’ireto mpanendaka ireto ka niaro tena tamin’ny alalan’ny tifitra ny Polisy ; lavo noho izany ity jiolahy ity. Nahita izany ireo namany hafa dia nitari-dositra ka tafaporitsika.
-Karohin’ny Polisimpirenena izy ireo noho ireo asa ratsy efa vitany. Fantatra kosa fa lehibena mpanendaka sady mpanao sinto-mahery efa mpamerin-keloka ity lavon’ny balan’ny Polisy ity.