Ady amin’ny halatra isan-karazany sy ny fametrahana fandriampahalemana maharitra
-Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny Polisimpirenena ao Mahajanga entina mampandry fahalemana ny tanàna.
-Vokatry ny angom-baovao marim-pototra avy amin’olona tsara sitrapo sy ny fanadihadiana nataon’ny Polisimpirenena, olona valo (08) no voasambotra nanomboka ny 16 sy 17 Septambra 2025.
-Ny atoandron’ny 16 Septambra 2025 dia voasambotra tao Antanimalandy ny iray tamin’ireo olon-dratsy fantatra fa ao anatina fikambanan-jiolahy ary efa voarohirohy tamin’ny halatra fiara sy fandrahonana olona ho faty. Maro ihany koa ny fitarainan’ny mponina manodidina momba azy.
-Taorian’izany, olona telo hafa no voasambotra tany Tsararano Ambony, akaikin’ny Kambilport, ny marainan’ny 17 Septambra 2025. Ny iray tamin’ireo dia mbola tratra nitazona finday iray nampiasaina nandritra ny fanaovana asa ratsy sy nahatratrarana rongony miisa 60 fonosana.
-Manaraka izany dia voasambotra ihany koa ireo namany izay mpitahiry fitaovam-piadiana entina amin’ny asa ratsy, ka mbola nahitana antsy miisa 12, baramina, ary kojakoja maro vokatra avy amin’ny halatra avokoa.
-Ny tolakandron’io 17 Septambra 2025 io ihany, olona dimy hafa no nosamborina, izay samy voarohirohy ho mpitahiry entana halatra, mpiara-miasa amin’ny jiolahy, ary olon-dratsy ao anaty fikambanan-jiolahy.
-Samy nentina eny anivon’ny Kaomisaria Foibe ao Mahajanga ireto olon-dratsy ireto, hanaovana fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy ireo eo anatrehan’ny fampanoavana.