Ady amin’ny fanaovana hosoka
-Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Boriborintany fahavalo Analamahitsy ny lehilahy iray ny 22 septambra 2025 tolakandro, rehefa nisy fitarainana nataona mpitantana cash point fa voafitak’ity lehilahy ity tamin’ny vola sandoka izy.
-Mbola nahatratrarana vola sandoka 20.000 Ariary maromaro teny aminy izay nafangarony tamin’ny vola tena izy, izay entiny hamitahana mpanao cash point.
-Nentina avy hatrany teny amin’ny Kaomisaria ny raharaha mba hanokafana fanadihadiana.