MDN – MSP : NOMEN’NY TAFIKA FITAOVAM-PIADIANA HOENTINA MIADY AMIN’NY ASAN-JIOLAHY NY POLISIM-PIRENENA

✅️ Tontosa tetsy amin’ny Toby RAZAFINDRAZAKA Berthin Antanimora ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Tafika malagasy sy ny Polisim-pirenena amin’ny fanomezana fitaovam-piadiana sy vanja ho an’ny Polisy entina miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
?‍♂️Nandray izany teny an-toerana ny Ministry ny Filaminam-bahoaka Controleur Général de Police RANDRIANARISON Fanomezantsoa sy ireo lehibe isan-tsokajiny eto anivon’ny Polisim-pirenena. Nisaotra ny Tafika malagasy ny tenany ary nambarany fa raha nangataka ho ampiana ara-pitaovana ny Polisy hoentina miaro ny vahoaka eny amin’ny faritra mena sy saro-dalana dia tsy nisalasala ny Tafika ny hanome izany . Porofo izao hoy izy fa mifanohana ireo mpisehatra eo anivon’ny fitandroana ny filaminana hametrahana ny fandriampahalemana maharitra izay antoky ny fampandrosoana.
✅️ Tonga maro nanotrona ny fanaovan-tsonia ihany koa ireo lehibe isan-tsokajiny eo anivon’ny Tafika malagasy izay notarihin’Andriamtoa Minisitry ny fiarovam-pirenena ny Jeneraly RAKOTONIRINA Richard . Nandritra ny lahateny nataony no nilazany fa mpitandro filaminana mifanome tanana, mifankahazo ary miray fo no ilaina hiarovana ny firenena sy hampanjakana ny filaminana eto amin’ny Nosy.

MDN – MSP : NOMEN’NY TAFIKA FITAOVAM-PIADIANA HOENTINA MIADY AMIN’NY ASAN-JIOLAHY NY POLISIM-PIRENENA

Vous pourrez aussi aimer