– Nanatanteraka fivoriambe sy nihaona mivantana tamin’ireo Polisimpirenena eto Antananarivo, teny amin’ny foibem-pibaikoana Anosy, teny amin’ny tobin’ny FIP Antanimora ary teny amin’ny kaomisaria Foibe Tsaralalàna ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’ny Aina, niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Commissaire Divisionnaire de Police TSARAMONINA Ravony Jean VICTOR notron’ireo tompon’andraikitra ambony eto anivon’ny Polisimpirenena; ny 15 Oktobra 2025.
– Nohamafisin’ny Minisitry ny Filaminambahoaka fa andraikitra lehibe no miandry ny Tale Jeneraly vaovao, ary nomeny baiko ny Polisimpirenena rehetra hiroso amin’ny fiovàna amin’ny fanatsaràna hatrany ny asa anatin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana araka ny sata mifehy ny Polisimpirenena.
– Nanentana ihany koa izy ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fanoloran-tena, ho fanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny andraikitra sahanin’ny Polisy manerana ny Nosy mba ho Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka tokoa.
– Nandritra ny fandraisam-pitenenany, dia nanambara ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena fa tsy azo ihodivirinana ny fanatsaràna sy ny fiovàna eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ny Polisimpirenena manoloana ny raharaham-pirenena misy ankehitriny.
– « Polisy miova, Polisy miray hina sy mifankatia, Polisy mandray andraikitra ary Polisy tomponandraikitra amin’ny sehatra rehetra misy azy » no baiko nomeny ny Polisimpirenena.

NIHAONA MIVANTANA TAMIN’IREO POLISIMPIRENENA MIASA ETO ANTANANARIVO NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA SY NY TALE JENERALIN’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer