– Miseho amin’ny endrika samihafa ankehitriny ny asa ratsy fisolokiana ka fomba marobe no entin’ireo olon-dratsy manao izany.
– Naharay fitarainana momba ireo ny Polisimpirenena ary efa manao ny fanadihadiana hahatratrarana ireo tompon’antoka amin’izany.
– Anisan’ireo fomba fisolokiana hita amin’izao :
-Fampiasàna vovo-bolamena ataon’ireo mpisoloky : olona milaza fa manana vovo-bolamena na nahita vovo-bolamena latsaka teo amin’ny tany ka mangataka vola na zavatra hafa toy ny finday na firavaka ho takalony. Rehefa azony izay angatahany amin’ireo lasibatra dia tsy hita intsony izy.
– Fampitomboana vola : manambaka amin’ny filazana fa afaka mampitombo vola amin’ny “formule manokana” na akora “mahagaga”. Lainga sy tetika hakàna vola fotsiny anefa izany.
– Milaza fa mahita mpividy entana na akora tsy dia be mpanana toy ny vola madinika Roapolo ariary nivoaka tamin’ny taona 1989. Misy olona hafa izay efa mpiray tsikombakomba aminy mivarotra ireo akora ireo amin’ilay lasibatra amin’ny vidiny mihoampampana (2 tapitrisa ariary ny singany iray amin’ny vola roapolo nivoaka tamin’ny taona 1989) saingy tsy misy akory avy eo ilay mpandray ilay entana amin’ny vidiny lafo.
-FOMBA FIADIN’IREO MPISOLOKY
Mahay mampiresaka tsara, tahaka ny tena marina ny zavatra lazainy rehetra, mety ho efa azony mialoha koa ny mombamomba ilay lasibatra ka misy olona fantatrao izay lazainy fa fantany, mody miseho ho mpivavaka, mifandray amina mpitondra fivavahana (Pasitera na Mompera)…
– Aza manaiky ho voafitaka amin’ny teny mamy sy lahateny mirindra. Raha sendra olona manolotra asa, varotra, na zavatra hafahafa, aza manome vola eo noho eo fa fantaro tsara ny momba azy rehetra.
– Manentana ny rehetra ny Polisimpirenena mba hitoroka avy hatrany raha mahita olona mampiahiahy amina fisolokiana.
– “TANDREMO NY FISOLOKIANA — AOKA HO MAILO, AOKA TSY HO VOAFITAKA!”

 

MIRONGATRA ANKEHITRINY NY FISOLOKIANA AMIN’NY ENDRINY SAMIHAFA KA MILA MAILO NY REHETRA

Vous pourrez aussi aimer