Tontosa tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ny 31 Oktobra 2025 maraina ny « FANDRESENA 2025 ».
Nanamarika ny lanonana ny fandraisana ofisialy ny andiany faha-47, ny faha-22 PIA ary ny faha-27 PFMCS.
– Nisy ihany koa ny fanomezana Sabatra ho an’ireo manam-boninahitra jeneraly eo anivon’ny tafika sy ny zandarimariam-pirenena.
Ankoatra izay dia tontosa ihany koa ny fanomezana galona ireo andiany mivantana andiany faha 46 misalotra ny anarana Général de Corps d’armée RAZAFITOMBO Léon Evariste sy ny andiany manokana faha 27 misalotra ny anarana MASOALINA.
– Miisa 85 mianadahy ireo Manamboninahitra hanatevin-daharana ny Tafika malagasy nivoaka tamin’ny Fandresena 2025.
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana ny Colonel Lucien RABEARIMANANA, Filoha mpiara-mitantana ny Fanovana ny Repoblikan’i Madagasikara.
– Natao teo ambany fiahian’ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely ny Fandresena 2025.
– Nampiseho firaisan-kina nandritra ity lanonana lehibe ity ireo Hery Fiarovana sy Filaminana, ka tonga nanome voninahitra ny fotoana ihany koa ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL Wouli Soumah Idrissa sy ny Minisitra Delege Misahana ny Zandarimaria, ny Jeneraly BAMA MARIMA.

FANDRESENA 2025 : LANONANA MANETRIKETRIKA ARA-MIARAMILA FAMOAHANA NY ANDIANY FAHA 46 TETSY AMIN’NY ACADEMIE MILITAIRE ANTSIRABE

Vous pourrez aussi aimer