🚔 Ady amin’ny asan-jiolahy
📢 Nahazo fitarainana maro ny Polisimpirenena manoloana ireo tranga vaky trano nisesisesy tao Fianarantsoa. Noho izany dia niroso tamin’ny fanadihadiana lalina ny Polisy, ka nahafahana nisambotra ireo jiolahy telo isan’ireo tompon’antoka tamin’io asa ratsy io.
👮‍♂️ Lehilahy iray tamin’izy ireo no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Matsiatra Ambony voalohany ny Alakamisy 6 Novambra 2025. Rehefa nosavaina ny tranony, dia hita tao ireo entana halatra maro samy hafa. Nandritra ny fanadihadiana dia niaiky ny helony izy ary nanoro ireo mpiray tsikombakomba taminy.
🚨 Nokarohina sy nosamborina avy hatrany ihany koa ireo olona roa voalazany, ka samy niaiky ny fandraisan’anjara tamin’ireo karazana vaky trano nisesy tao Fianarantsoa avokoa.
🏠 Araka ny fantatra dia efa hanaovan’ireto jiolahy ireto « planina » mati-paika ireo trano izay horoboainy ka izay tena mora hidirana sy tsy ampy fiarovana no lasibatra matetika, tsy miditra amina toerana tsara hidin-trano izy ireo raha ny fanadihadiana nataon’ny Polisimpirenena.
🔍 Mitohy araka izany ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo namany hafa ataon’ny Polisimpirenena, mba hamongorana tanteraka ity tambajotra mpanao asa ratsy ity.

FIANARANTSOA – RAVAN’NY POLISIMPIRENENA IREO FIKAMBAN-JIOLAHY MALAZA RATSY AMIN’NY RESAKA VAKY TRANO, JIOLAHY MIISA 03 ISAN’IREO TOMPON’ANTOKA TAMIN’IZANY VOASAMBOTRA

Vous pourrez aussi aimer