🔹 Fanatsarana ny fomba fiasan’ny Brigade Féminine de Proximité, mba hifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka sy ny takian’ny vanin’andro ny tolotra omena azy ireo, ao anatin’ny fanatanterahana ny paik’ady « Polisy manakaiky ny vahoaka ». Izay no anisan’ny nisongadina tamin’ny fihaonan’ireo komandin’ny BFP 13 manerana ny Nosy, izay notanterahana tany Mahajanga ny 11 sy ny 12 Novambra 2025 lasa teo.
📝 Nisy arak’izany ny fanaovana ny tomban’ezaky ny asa vita, nahafahana nahita ny fahombiazana sy izay mety lesoka, entina indrindra handrafetana ny fandaharan’asa ho an’ny taona 2026.
🎓 Nandritra izany fihaonana izany koa dia nahazo fiofanana mahakasika ny haitarika, ny fahaizana mitarika fivoriana, ny fahaiza-manao amin’ny fanaovana fanentanana izy ireo.
👥 Ny coach n’ny BFP – ny Contrôleur Général de Police, Mandimbin’Ny Aina RANDRIAMBELO, ny Mpandrindra Nasionalin’ny BFP – ny Commissaire de Police Baovola RAZAKATSIHOARANA ary ny mpampiofana mahakasika ny ady amin’ny VBG – ny Officier de Police Christine RAZAFIARISOA no nitarika izany fihaonana izany.
🤝 Ny IPAS Afrique Francophone moa no nanohana izao hetsika izao.
Ireto avy no toerana efa misy BFP : Antananarivo, Toamasina, Mahajanga, Antsirabe, Fianarantsoa, Toliara, Antsiranana, Morondava, Manakara, Ihosy, Ambatondrazaka, Maevatanana, Tsiroanomandidy.
📚 Ankoatran’izay dia nahazo fanentanana mahakasika ny Zo amin’ny Fahasalamana Ara-pananahana ihany koa ny BFP sy ireo Polisimpirenena miasa eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka ao Boeny, araka ny atrikasa nokarakarain’ny IPAS sy ny Tambazotran’ny Parlemantera ho an’ny Rariny Ara-pananahana.

