✅ Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny halatr’omby
– Ny 21 Novambra 2025, nisy trangana fanafihan-dahalo tao amin’ny tanànan’Ambalabao, Fokontany Ambohimiarina, Distrikan’i Manandriana. Omby miisa dimy (05) no lasan’ireo dahalo nandritra izany.
– Nampandre avy hatrany ny Polisimpirenena ny fokonolona, ka nisy ny fanarahan-dia nifandrimbonan’ny Polisy sy ny fokonolona nankany amin’ny faritra Ambatofitorahana.
– Vokatry ny fandraisana andraikitra haingana sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra, dia navelan’ireo dahalo ireo ny omby miisa dimy (05), saingy maty ny 02 tamin’ireo omby.
– Mitohy ny fanadihadihana sy ny fikarohana ataon’ny Polisimpirenena ireo dahalo ireo.