– Ady amin’ny halatra isan-karazany
– Antoandro be nanahary no nidiran’ity lehilahy iray ity antsokosoko tao an-tranon’olona iray ao Antohomadinika, nangalany ny fahitalavitra « Ecran Plat » sy ireo kojakoja samihafa tao an-trano ny andron’ny 28 Novambra 2025. Nandeha niantsena ny tompon-trano ka teo no nanararaotany.
– Tsikaritr’ireo mpifanila vodirindrina anefa ny fidiran’ity olona tsy fantatra ity tao amin’ilay trano ka nampandre ny Polisy avy ao amin’ny Poste de Police Antaniavo izy ireo.
– Vokany, nifanena tamin’ny mpitandro filaminana izy teo ampitaterana ireo entana ka noraisim-potsiny.
– Nentina natao fanadihadiana tao amin’ny biraon’ny Polisy izy alohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoavana.

 

VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA ILAY LEHILAHY IRAY MALAZA RATSY AMIN’NY RESAKA VAKY TRANO TETSY ANTOHOMADINIKA

Vous pourrez aussi aimer