– Ady amin’ny fisolokiana
– Voasambotry ny Polisimpirenena ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Amoron’i Mania ny lehilahy iray mpisoloky, ny 07 Desambra 2025, taorian’ny famotorana natao mikasika ny raharaha fisolokiana nitranga tamin’ny volana Novambra 2025 tao Ambondromisitra.
– Vehivavy iray no tratran’ny fisolokiana ka very 15 000 000 Ariary izay nolazain’ilay voarohirohy fa hampiasaina amin’ny asa hahazoana tombony. Tsy misy akory anefa ny asa izay lazainy fa hampitomboana ny vola ampiasaina. Nametraka fitoriana ilay lasibatra noho izany.
-Nandray andraikitra ny Sampandraharaha mikaroka ny Fandikan-dalàna ao amin’ny DRSP Amoronon’i Mania ka nosamborina ity lehilahy ity hanaovana fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy eny amin’ny fampanoavana.

 

AMBONDROMISOTRA, FARITRA AMORON’I MANIA : MPISOLOKY IRAY NO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer