– Notontosaina androany 12 Desambra 2025 tetsy amin’ny foibem-pitantanan’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka etsy Anosy ny fifamindram-pitantanana teo amin’ireo Tale vaovao voatendry eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka nandritra ny filankevitry ny Minisitra ny Alatsinainy 8 Desambra 2025 teo.
– Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette.
– Teo ny fandraisam-pitantanana nataon’ny Tale Jeneraly Lefitry ny Polisimpirenena (DGA), ny Commissaire Divisionnaire de Police SERALY Hercule.
– Ny fandraisam-pitantanana nataon’ny Tale Misahana ny ara-bola (DAF), ny Contrôleur Général de Police RASOAMIARAMANANA Gilberte.
– Ny famindram-pitantanana teo amin’ny Tale vaovao misahana ny maha olona (DRH) eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAMAMPIANDRY Nicolas sy ny Tale teo aloha, ny Contrôleur Général de Police MARINJAHA Vavitafika Vololonandro.
– Ny famindram-pitantanana teo amin’ny Tale vaovao misahana ny Fitrandrahana sy fanangonam-baovao (DSR), ny Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTONDRASOA Jean de Matha sy ny Tale teo aloha ny Commissaire Divisionnaire de Police RANJATOARISOA Andriamiadana Mamitiana.
– Ny fandraisam-pitantanan’ny Tale Misahana Fanadihadiana anatiny (DEI), ny Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTOMALALA Simon.
– Ny famindram-pitantanana teo amin’ny Tale vaovao misahana ny Hery vonjy taitran’ny Polisimpirenena (DFIP), ny Commissaire Divisionnaire de Police RAZAFINDRAZAKA Hector sy ny Tale teo aloha ny Commissaire Principal de Police RAKOTONIRINA Jimmy Clark.
– Ny famindram-pitantanana teo amin’ny Tale vaovao misahana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanajana ny fitsipi-pifehezana (DLCD), ny Commissaire Principal de Police RABEARIVONY Maurice Joel sy ny Tale teo aloha, ny Commissaire Principal de Police ANDRIAMASY Ainarivonjy Olivier.
– Ny famindram-pitantanana teo anivon’ny Tale vaovao misahana ny fandrindràna ny fandaharanasa sy ny fanombanana (DPSE), ny Commissaire Principal de Police VAVILAINA Clarisse Marie Elisabeth sy ny Tale teo aloha, ny Commissaire Principal de Police BEN HOUSSEN Evariste.
– Ny fandraisam-pitantanana nataon’ny Tale misahana ny haitao ara-kajy mirindra sy ny fampitan-davitra (DSIT), ny Commissaire de Police RANDRIAMANOHISOA Tovoherijaona Hajanirina izay nitana io andraikitra io ihany.
– Nandritra ny fandraisam-pitenenan-dRamatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka no nitso-drano ireo Tale vao nandray ny asany izy ary nankahery azy ireo mba hanana vitrika amin’ny asa lehibe iandraiketany. Mitaky fahavononana hoy izy ny fanatanterahana ny vinan’ny Fitondram-panjakàna sy ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka izay tsy maintsy vitaina anaty fotoana fohy ary manaraka ny fanovàna izay takiana.


