– Ady amin’ny zava-mahadomelina
– Ny marainan’ny 14 Desambra 2025 tamin’ny 5 ora, nidina ifotony tao amin’ny Fokontany Fenoarivo Avaratra ny Polisimpirenena avy ao amin’ny CSP Farafangana, taorian’ny angom-baovao voaray mahakasika fambolena rongony tao anaty tokontanin’olona iray.
– Nandritra ny fisavana natao dia nahitana rongony miisa 30 fototra, nambolena tao anaty gony sy bidon feno tany, tao amin’ny tokontanin’ny lehilay iray. Hita tao an-tranony ihany koa ny voan’ny rongony, ravina rongony vao notazana ary fitaovana fampiasana izany.
– Taorian’ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny Polisimpirenena dia nidoboka am-ponja ao Farafangana ity lehilahy mpamboly rongony ity rehefa natolotra ny fampanoavana ny Talata 16 Desambra 2025. Ireo rongony kosa dia nodorana avokoa.

 

FARAFANGANA : RONGONY 30 FOTOTRA SARON’NY POLISIMPIRENENA TAO FENOARIVO AVARATRA

Vous pourrez aussi aimer