– Ny Alakamisy 11 desambra 2025, tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany hariva, nisy andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana toy ny antsy lava lela sy pilotra nanao fanafihana tao amin’ny tokantranona mpivarotra iray ao amin’ny Fokontany Ambalamanga Befitina, Nosy Be Hell-Ville. Naratra nandritra izany ny tompontrano mivady, ary lasan’ireo jiolahy ny vola 52 000 000 Ar sy volamena mitentina 6 000 000 Ar.
– Nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany ny Polisimpirenena miasa any an-toerana raha vao nahare ny tranga. Natao ny fikarohana ka voasambotra ny iray tamin’ireo mpanafika. Izy io indray no nahafahana nisambotra ireo namany 04 hafa, ka ny 16 Desambra 2025 tao amin’ny Fokontany Andavakotoko izy ireo no nosamborin’ny Polisy.
– Taorian’ny fanadihadiana, natolotra ny Fampanoavana ny 18 desambra 2025 izy dimy lahy ireo ary naiditra am-ponja avokoa.

 

NOSY BE HELL-VILLE : JIOLAHY MIISA 05 VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY RESAKA FANAFIHANA MITAM-PIADIANA

Vous pourrez aussi aimer