– Ny 22 Desambra 2025 no tonga nametraka fitoriana teny anivon’ny Sampan-draharahan’ny Polisy misahana ny heloka bevava (BC) Anosy ny solontenan’ny banky iray, taorian’ny fahavakisan’ny rantsana misy azy tao Ambatondrazaka, ny marainan’io andro io, tokony ho tamin’ny roa ora. Vola 347.700.000 Ariary no very nandritra izany.
– Nidina tany an-toerana ny BC, nanokatra ny fanadihadiana, ary nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny Polisy tao Ambatondrazaka.
– Vokatry ny fikarohana nataon’ny Polisimpirenena dia fantatra fa lehilahy miisa efatra no tena nanatanteraka ny asa ratsy ary nisy mpiambina roa tao amin’ilay banky nanampy ireo jiolahy.
– Ny 25 Desambra 2025, taorian’ ny fikarohana sy vela-pandrika natao no voasambotra tany amin’iny faritra iny ihany izy enin-dahy ireto izay samy niaiky ny helony, ary nanoro ny ambin’ny vola 78.900.000 Ariary, izay nafenina tao anaty lavaka tao Madiotsifafàna akaikin’ny gara.
– Hatolotra ny Fampanoavana ny raharaha rehefa vita ny fanadihadiana savaranonando ataon’ny Polisimpirenena.

 

FAHAVAKISAN’NY BANKY IRAY TAO AMBATONDRAZAKA : TRATRAN’NY POLISIMPIRENENA IREO ENIN-DAHY MPIRAY TSIKOMBAKOMBA SY NANDRAY ANJARA TAMIN’IZANY.

Vous pourrez aussi aimer