– Nitarika ny « rassemblement général » nataon’ny Polisimpirenena teto Antananarivo, teny amin’ny foibem-pibaikoana ny Polisimpirenena Anosy, ny Commissariat Central Tsaralalàna ary ny Tobin’ny FIP Antanimora ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL Wouli Soumah Idrissa ny marainan’ny Alatsinainy 5 Janoary 2026. Nanotrona izany ireo tompon’andraikitra ambony sy ireo tale eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
– Nisaotra ireo Polisimpirenena rehetra manerana an’i Madagasikara ny Minisitry ny Filaminambahoaka nandritra ny tafa mivantana nifanaovany tamin’ireo Polisy. Tontosa an-tsakany sy an-davany ny asa fiarovana ny vahoaka sy ny fananany nandritra ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona teo iny ka nankasitraka izany izy. Mila tohizana ny ezaka rehetra efa natao, ary hatsaraina izay azo hatsaraina hoy izy sady nankahery ireo Polisy satria tsy vita hatreo ny asa fa mitohy hatrany ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.
– Notsindriany manokana ny fanamafisana ny firaisan-kina eo anivon’ny Polisimpirenena, ho antoky ny fahombiazana amin’ny fanatanterahana ny asa sy iraka iombonana.
– Fanamby vaovao ny fiatrehana ny taona 2026 ary hijoro hatrany ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ny Polisimpirenena amin’ny adidy masina izay hiantsorohany ho an’ny mpiray Tanindrazana.

TAOM-BAOVAO 2026 : NITETY IREO SAMPAN-DRAHARAHA SY TOBY MISY NY POLISIMPIRENENA ETO ANTANANARIVO, NIHAONA MIVANTANA TAMIN’IREO POLISY SY NIRARY SOA ARY NANKAHERY AZY IREO NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA.

Vous pourrez aussi aimer