– Ady amin’ny halatra isan-karazany sy ny tsy fandriampahalemana.
– Nahitam-bokany ireo fepetra noraisin’ny Polisimpirenena tao Mahajanga nandritra ny fametrahana fandriam-pahalemana tamin’ny fankalazana ny fety faran’ny taona 2025 sy ny taom-baovao 2026. Olona roa amby roapolo (22) no voasambotra noho ny fandikan-dalàna samihafa ary tratra ambodiomby avokoa izy ireo.
– Ankoatra ireo Polisy manao ny fanamiana ara-dalàna ahafantarana azy nivezivezy sy nanara-maso manerana ny tanàna dia nisy ireo Polisy nanao fanamiana sivily nahetsika teny an-kianja.
– Anisan’ny tranga nisongadina, ny maraim-ben’ny Zoma 02 Janoary 2026, olona folo (10) no voasambotra teo akaikin’ny Quai Orange noho ny fanafihana mitàm-piadiana. Nahitana antsy dimy sy sabatra iray teny amin’izy ireo. Tamin’io andro io ihany, olona dimy (05) hafa nikasa hanao fanendahana no voasambotra teo amin’ny kianja ex-Magro, mbola nahitàna antsy maranitra ny iray tamin’izy ireo.
– Ny ambiny kosa dia voarohirohy tamin’ny resaka vaky trano, halatra kojakojana fiara ary herisetra narahina halatra teny amin’ny sisin-dranomasina, tao Mahavoky Avaratra, teo anoloan’ny Leader Price ary teo anoloan’ny Score ny andron’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao.
– Samy nentina teny anivon’ny Kaomisaria foibe avokoa ireo olon-dratsy ireo hanaovana fanadihadiana momba ireo raharaha rehetra ireo.

 

MAHAJANGA : OLONA 22 VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA MIASA AO MAHAJANGA NANDRITRA NY FANKALAZANA NY FETIN’NY FARAN’NY TAONA SY NY TAOM-BAOVAO.

Vous pourrez aussi aimer