– Fampiofanana mitohy.
– Tontosa tetsy amin’ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny Fampiofanana Mitohy (DRFC) Antanimora, ny Zoma 16 Janoary 2026, ny lanonana fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny mari-pahaizana nahavitan’ny fiofanana momba ny fahafehezana ny teny sinoa ho ana Polisimpirenena miisa 79 avy amin’ny sampandraharaha maro samihafa eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
– Nahafahana nisitraka Ity fiofanana ity ny fiarahamiasan’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ny “Groupe Confucius” tarihin’Andriamatoa Wei Zuqincn, solontenan’ny Campus Universitaire d’Ambohitsaina, ary Ramatoa Saholy Mampionina RAMAHAFALISOA, filoha mpamorona ny Groupe Le Petit Nid, izay nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka ny fiofanana.
– Nitarika ny lanonana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette, izay nanasongadina fa tombontsoa lehibe ho an’ny Polisimpirenena ny fahaizana teny vahiny amin’ny maha Nosy an’i Madagasikara ka tsy maintsy mifandray amin’ny vahiny. Tsy latsa-danja amin’ny tenim-pirenena hafa ny teny sinoa ahafahana manatsara hatrany ny fanatanterahana ny asa andavanandro sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.
– Namporisika ny Polisimpirenena rehetra izy mba hazoto sy havitrika amin’ny fandraisana anjara amin’ny fiofanana tahaka itony.

POLISY MIISA 79 AVY AMIN’NY SAMPANDRAHARAHA MARO SAMIHAFA NO NAHAVITA FIOFANANA KA NAHAZO MARI-PAHAIZANA AMIN’NY FIFEHEZANA NY TENY SINOA.

Vous pourrez aussi aimer